Malachi 1:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany dia lehibe ny anarako any amin’ny Jentilisa. Any amin’ny tany rehetra no handoroana ditin-kazo manitra sy hanolorana fanatitra madio ho an’ny anarako; fa lehibe ny anarako any amin’ny Jentilisa, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hatramin’ny fiposahan’ny masoandro, ka hatramin’ny filentehany dia lehibe ny Anarako, any amin’ny firenena; ary manolotra emboka manitra amam-panatitra madio amin’ny Anarako ny olona, amin’ny fitoerana rehetra satria lehibe ny Anarako, any amin’ny firenena, hoy i Iavehn’ny tafika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa manomboka any atsinanana ka hatrany andrefana no hieken’ireo hafa firenena fa lehibe ny lazako. Ary hatraiza hatraiza no handoroana sorona sy hanaovana fanatitra mendrika ny anarako. Eny, hiaiky ireo hafa firenena fa lehibe ny lazako, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.
Malagasy Bible 1865
Fa hatramin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany dia lehibe ny anarako any amin'ny jentilisa, ary any amin'ny tany rehetra no handoroana ditin-kazo manitra sy hanaterana fanatitra madio ho an'ny anarako; fa lehibe any amin'ny jentilisa ny anarako, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany dia lehibe ny anarako any amin’ny Jentilisa*. Any amin’ny tany rehetra no handoroana ditin-kazo manitra sy hanolorana fanatitra madio ho an’ny anarako; fa lehibe ny anarako any amin’ny Jentilisa, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
malagasy
Fa hatramin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany dia lehibe ny anarako any amin'ny jentilisa, ary any amin'ny tany rehetra no handoroana ditin-kazo manitra sy hanaterana fanatitra madio ho an'ny anarako; fa lehibe any amin'ny jentilisa ny anarako, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. [Na: ho lehibe]