Malachi 1:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa manamavo izany kosa ianareo amin’ny ilazanareo hoe: Voaloto ny latabatry NY TOMPO, ary ny hanina raisina avy eo dia tsinontsinona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ianareo kosa anefa mandoto azy, amin’ny fanaovanareo hoe: Voaloto ny latabatr’i Iaveh, ary ny vokatra avy aminy, dia hanina tsinontsinona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ianareo kosa manevateva izany amin’ny filazànareo fa ny alitaran’ny TOMPO dia tsy mendri-kaja, ary ny sakafo aterina eo dia tsizarizary.
Malagasy Bible 1865
Fa ianareo kosa manamavo izany amin'ny fanaovanareo hoe: Voaloto ny latabatr'i Jehovah, ary ny haniny aterina eo dia tsinontsinona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa manamavo izany kosa ianareo amin’ny ilazanareo hoe: Voaloto ny latabatry NY TOMPO, ary ny hanina raisina avy eo dia tsinontsinona.
malagasy
Fa ianareo kosa manamavo izany amin'ny fanaovanareo hoe: Voaloto ny latabatr'i Jehovah, ary ny haniny aterina eo dia tsinontsinona. [Heb. vokany]