Malachi 1:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy koa ianareo: Zava-manasatra foana izao! Dia ahifikareo izany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Zavatra nalaina an-keriny sy mandringa ary marary no entinareo atolotra ho fanatitra. Moa handray izany avy amin’ny tananareo va Aho? Hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy ianareo: inty! Mahasorisorena be ihany! dia tsy asianareo raharaha akory Izy, hoy i Iavehn’ny tafika. Entinareo avokoa, na ny zava-nofetsena, na ny biby mandringa sy marary, dia izany no aterinareo ho fanolorana! Ka azoko ankasitrahina va izay avy amin’ny tananareo? hoy i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Miteny aza ianareo hoe: «Asa mafy re izany!» Dia tsy mba miraharaha Ahy ianareo, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao. Biby nangalarina na mandringa na marary no atolotrareo amiko. Koa ataoko ahoana, hoy AHO, no fankasitraka izany avy amin’ny tananareo.
Malagasy Bible 1865
Hoy koa ianareo: Tsy mba hasasarana lahy! ary ikifonanareo izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; entinareo ny nalaina an-keriny sy ny mandringa sy ny marary, ka dia aterinareo ho fanatitra; moa ta-handray izany amin'ny tenanareo va Aho? hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy koa ianareo: Zava-manasatra foana izao! Dia ahifikareo izany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Zavatra nalaina an-keriny sy mandringa ary marary no entinareo atolotra ho fanatitra. Moa handray izany avy amin’ny tananareo va Aho? Hoy NY TOMPO.
malagasy
Hoy koa ianareo: Tsy mba hasasarana lahy! ary ikifonanareo izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; entinareo ny nalaina an-keriny sy ny mandringa sy ny marary, ka dia aterinareo ho fanatitra; moa ta-handray izany amin'ny tenanareo va Aho? hoy Jehovah.Fa voaozona ny mpamitaka, izay manana ondrilahy ao amin'ny ondriny, ary mivoady, nefa mamono zavatra misy kilema hatao fanatitra ho an'ny Tompo. Fa Mpanjaka lehibe Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary ny anarako dia mahatahotra any amin'ny jentilisa.