Malachi 1:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho voaozona ny mpamitaka izay manana ondrilahy ao amin’ny andian’ondriny ary mivoady, nefa mamono zavatra misy kilema hatao fanatitra ho an’ny Tompo. Fa Mpanjaka lehibe Aho, Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ary ny anarako dia atahorana any amin’ny Jentilisa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aoka ho voaozona ny mpanambaka izay manana ondralahy eo amin’ny andian’ondriny, ka manao voady, nefa biby farofy no ataony sorona amin’ny Tompo. Fa Mpanjaka lehibe Aho, hoy i Iavehn’ny tafika; ary mahatahotra ny Anarako, any amin’ny firenena.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho voaozona anie ny mpamitaka izay manana biby salama ao amin’ny andian’ondriny; saingy rehefa manao voady izy, dia biby manan-kilema no ataony sorona amiko. Eny, mpanjaka lehibe ny tenako, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao; ary mampihorohoro ny firenen-drehetra ny lazako.
Malagasy Bible 1865
Fa voaozona ny mpamitaka, izay manana ondrilahy ao amin'ny ondriny, ary mivoady, nefa mamono zavatra misy kilema hatao fanatitra ho an'ny Tompo. Fa Mpanjaka lehibe Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary ny anarako dia mahatahotra any amin'ny jentilisa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho voaozona ny mpamitaka izay manana ondrilahy ao amin’ny andian’ondriny ary mivoady, nefa mamono zavatra misy kilema hatao fanatitra ho an’ny Tompo. Fa Mpanjaka lehibe Aho, Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ary ny anarako dia atahorana any amin’ny Jentilisa.
malagasy