Malachi 1:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’ny fitondrana hanina voaloto ho eo amin’ny alitarako, nefa hoy ianareo hoe: Amin’inona no andotoanay Anao? Amin’ny filazanareo hoe: Ny latabatry NY TOMPO dia fanimbazimba.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny inona no nanamavoanay ny Anaranao? - Amin’ny fitondranareo mofo voaloto eo amin’ny ôteliko. Ary hoy ianareo: Tamin’ny inona no nandotoanay Anao? - Amin’ny fanaovanareo hoe: Zavatra tsy manjary ny latabatr’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mitondra hanina tsy mendrika Ahy eo amin’ny alitarako ianareo, nefa manontany hoe: «Amin’inona no anaovanay zavatra tsy mendrika Anao?» Ka hoy Aho hoe: Amin’ny fanimbazimbanareo ny alitarako!
Malagasy Bible 1865
Amin'ny fitondrana hanina voaloto ho eo amin'ny alitarako. Nefa ianareo manao hoe: Amin'inona no andotoanay Anao? Amin'ny fanaovanareo hoe: Ny latabatr'i Jehovah dia fanazimbazimba.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’ny fitondrana hanina voaloto ho eo amin’ny alitarako, nefa hoy ianareo hoe: Amin’inona no andotoanay Anao? Amin’ny filazanareo hoe: Ny latabatry NY TOMPO dia fanimbazimba.
malagasy
Amin'ny fitondrana hanina voaloto ho eo amin'ny alitarako. Nefa ianareo manao hoe: Amin'inona no andotoanay Anao? Amin'ny fanaovanareo hoe: Ny latabatr'i Jehovah dia fanazimbazimba.