Malachi 1:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha biby jamba no entinareo hovonoina hatao fanatitra dia hoe tsy ratsy va izany? Ary raha mandringa sy marary no entinareo dia hoe tsy ratsy va izany? Mba atolory ho an’ny governora manapaka anao ange izany, moa hahazo sitraka na fitia aminy va ianao? Hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha biby jamba no aterinareo hatao sorona, tsy ratsy va izany? Ary raha ny mandringa sy marary no entinareo, tsy ratsy va izany? Mandehana ange manatitra izany amin’ny governoranao e! Hahazo sitraka aminy va ianao; hahita fitia aminy ianao? hoy i Iavehn’ny tafika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha biby jamba na mandringa na marary no entinareo hatao sorona amiko, moa heverinareo fa tsy ratsy ve izany? Biby tahaka izany ange aterina ho an’ny governora, dia ho hitanareo raha hahazo sitraka na fitia aminy ianareo, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.
Malagasy Bible 1865
Ary raha jamba no entinareo hovonoina hatao fanatitra, tsy ratsy hoe izany! Ary raha mandringa sy marary no entinareo, tsy ratsy hoe izany! Atero ho an'ny governora manapaka anao ange izany, moa hahazo sitraka na fitia aminy va ianao? hoy Jehovah Tompon'ny maro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha biby jamba no entinareo hovonoina hatao fanatitra dia hoe tsy ratsy va izany? Ary raha mandringa sy marary no entinareo dia hoe tsy ratsy va izany? Mba atolory ho an’ny governora manapaka anao ange izany, moa hahazo sitraka na fitia aminy va ianao? Hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
malagasy