Malachi 1:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa miangavy anareo aho, andeha mifona amin’Andriamanitra mba hamindrany fo amintsika, fa ny tananareo no nahatonga izao: Moa handray anareo amim-pankasitrahana va Izy? Hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ankehitriny mifonà amin’Andriamanitra hamindra fo aminareo! Ny tananareo no nahatongavan’izany; moa ho voataonanareo hitsimbina va izy? hoy i Iavehn’ny tafika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa ankehitriny, ry mpisorona, mifonà amiko Andriamanitrareo ange ianareo, raha toa ka mba hiantra ny vahoakako Aho. Noho izay nataon’ny tananareo izay, moa heverinareo ve fa hihaino anareo Izaho TOMPOn’izao rehetra izao? Sanatria izany!
Malagasy Bible 1865
Koa masìna ianareo, andeha mifona amin'Andriamanitra hamindrany fo amintsika fa ny tananareo no nahatonga izany, moa hankasitraka va Izy noho ny aminareo? hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Koa masìna ianareo, andeha mifona amin'Andriamanitra hamindrany fo amintsika fa ny tananareo no nahatonga izany, moa hankasitraka va Izy noho ny aminareo? hoy Jehovah, Tompon'ny maro.