Malachi 2:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ankehitriny ry mpisorona, ho anareo izao didy izao:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa ankehitriny, ry mpisorona, didy mihatra aminareo izao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Izao no fampitandremana ataon’ny TOMPOn’izao rehetra izao aminareo, ry mpisorona: –Raha tsy mihaino Ahy sy tsy miezaka ny hanome voninahitra ny anarako amin’ny fonareo ianareo, dia halefako hamely anareo ny ozona. Fa hovako ho ozona ny fitahiana nampanantenaiko anareo; eny, hataoko izany satria tsy tamin’ny fonareo marina no nandraisanareo ny didiko.
Malagasy Bible 1865
Ary ankehitriny, ry mpisorona, dia ho aminareo izao didy izao:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ankehitriny ry mpisorona, ho anareo izao didy izao:
malagasy
[Ny tsi-fahamarinan'ny mpisorona, sy ny namalian'Andriamanitra azy] Ary ankehitriny, ry mpisorona, dia ho aminareo izao didy izao: