Malachi 2:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy mpiombona ray va isika rehetra? Tsy Andriamanitra iray ihany va no nahary antsika? Koa nahoana no samy mivadika amin’ny rahalahintsika avy isika ka mamadika ny faneken’ny razantsika?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy iray ray va isika rehetra? Tsy Andriamanitra iray va no nahary antsika? Ka nahoana àry ity isika, no samy mivadika amin’ny rahalahintsika avy, ka mandoro ny fanekena tamin’ny razantsika?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy tokana va ny raintsika rehetra? Tsy Andriamanitra iray va no nahary antsika? Koa nahoana no mivadika amin’ny namantsika avy isika, ka manimbazimba ny fanekempihavanana nifanaovan’Andriamanitra tamin’ireo razantsika?
Malagasy Bible 1865
Tsy mpiombon-dray va isika rehetra? Tsy Andriamanitra iray ihany va no nahary antsika? Koa nahoana no samy mivadika amin'ny rahalahintsika avy isika ka mamadika ny fanekena tamin'ny razantsika?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy mpiombona ray va isika rehetra? Tsy Andriamanitra iray ihany va no nahary antsika? Koa nahoana no samy mivadika amin’ny rahalahintsika avy isika ka mamadika ny faneken’ny razantsika?
malagasy
[Fananarana ny olona noho ny fisaoram-bady nataony sy ny nifanambadiany tamin'ny jentilisa] Tsy mpiombon-dray va isika rehetra? Tsy Andriamanitra iray ihany va no nahary antsika? Koa nahoana no samy mivadika amin'ny rahalahintsika avy isika ka mamadika ny fanekena tamin'ny razantsika?