Malachi 2:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Faharoan’izany, izao koa no ataonareo: Saronanareo ranomaso sy fitomaniana ary fisentoana ny alitaran’NY TOMPO ka tsy mba jereny intsony ny fanatitra ary tsy hankasitraka na inona na inona avy amin’ny tananareo Izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao koa no zavatra faharoan’izany ataonareo: tondrahanareo ranomaso sy fitolokoana izany, ka tsy ahoan’i Iaveh intsony izay fanatitra, ary tsy raisiny intsony izay fanatitra mahafinaritra avy amin’ny tananareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary izao koa no mbola ataonareo: ataonareo hotsa-dranomaso ny alitara n’ny TOMPO; mitomany sy midradradradra ianareo, satria tsy miraika amin’izay fanatitrareo intsony Izy ary tsy manaiky intsony izay zavatra aterinareo aminy.
Malagasy Bible 1865
Ary faharoan'izany, dia izao koa no ataonareo: Saronanareo ranomaso sy fitomaniana ary fisentoana ny alitaran'i Jehovah, ka tsy mba jereny intsony ny fanatitra, ary tsy handray fankasitrahana avy amin'ny tananareo Izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Faharoan’izany, izao koa no ataonareo: Saronanareo ranomaso sy fitomaniana ary fisentoana ny alitaran’NY TOMPO ka tsy mba jereny intsony ny fanatitra ary tsy hankasitraka na inona na inona avy amin’ny tananareo Izy.
malagasy