Malachi 2:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nahoana no nisy iray nanao izany nefa mba manam-panahy ihany? Taranaka araka an’Andriamanitra anefa no notadiavin’ilay iray. Koa tandremo ny fiainanareo ary aoka tsy hisy hamitaka ny vadin’ny fahatanorany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Moa tsy iray no nataony misy nofo sy aina? Ary io iray io, inona no tadiaviny? - Nitady taranaka araka an’Andriamanitra izy. Ka mitandrema tsara ny fitondran-tenanareo, fa aza misy mamitaka ny vadin’ny fahatanorany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy efa nataon’ny TOMPO ho tena iray amin’ny vadinareo ve ianareo, ara-batana sy ara-panahy? Ary inona no tadiavin’izany tena iray izany? Moa va tsy ny hanan-taranaka araka an’Andriamanitra? Koa dia mitandrema tena ianareo, aza ilaozana ny vadin’ny fahatanoranareo.
Malagasy Bible 1865
Moa tsy nisy anankiray nanao izany va, nefa mbola nanam-panahy ihany? Fa inona andrefa no notadiavin'ilay anankiray? Taranaka araka an'Andriamanitra. Koa dia tandremo ny fanahinareo, ary aoka tsy hisy hamitaka ny vadin'ny fahatanorany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nahoana no nisy iray nanao izany nefa mba manam-panahy ihany? Taranaka araka an’Andriamanitra anefa no notadiavin’ilay iray. Koa tandremo ny fiainanareo ary aoka tsy hisy hamitaka ny vadin’ny fahatanorany.
malagasy
Moa tsy nisy anankiray nanao izany va, nefa mbola nanam-panahy ihany? Fa inona andrefa no notadiavin'ilay anankiray? Taranaka araka an'Andriamanitra. Koa dia tandremo ny fanahinareo, ary aoka tsy hisy hamitaka ny vadin'ny fahatanorany. [Na: moa tsy iray va no nataony? Nefa nanana fanahy sisa ihany Izy. Ary nahoana no iray? Nitady taranaka araka an'Andriamanitra Izy]