Malachi 2:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa halako ny fisaoram-bady, hoy NY TOMPO, Andriamanitr’Israely, halako ny fanosihosena ny fitafiany amin’ny fampahoriana, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Koa tandremo ny fanahinareo ary aza mamitaka ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa halako ny fisaoram-bady, hoy i Iaveh, Andriamanitr’i Israely, satria ny manao izany, dia ny manototra fahasahiana ny fitafiany, hoy i Iavehn’ny tafika. Koa mitandrema ny fitondran-tenanareo fa aza misy mamitaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Halako ny fisaoram-bady sy ny fihosenana amin’ny herisetra, hoy ny TOMPO Andriamanitr’i Israely sady Tompon’izao rehetra izao. Koa dia mitandrema tena ianareo ary aza mandao vady.»
Malagasy Bible 1865
Fa halako ny fisaoram-bady, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy ny fanosenana fampahoriana amin'ny fitafiany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; koa tandremo ny fanahinareo, ary aza mamitaka ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa halako ny fisaoram-bady, hoy NY TOMPO, Andriamanitr’Israely, halako ny fanosihosena ny fitafiany amin’ny fampahoriana, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Koa tandremo ny fanahinareo ary aza mamitaka ianareo.
malagasy
Fa halako ny fisaoram-bady, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy ny fanosenana fampahoriana amin'ny fitafiany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; koa tandremo ny fanahinareo, ary aza mamitaka ianareo.[Ny amin'ny andron'i Jehovah] Efa manasatra an'i Jehovah amin'ny teninareo ianareo. Nefa hoy ianareo: Amin'inona moa no anasaranay Azy? Amin'ny fanaovanareo hoe: Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason'i Jehovah ka ankasitrahany, na amin'ny hoe: Aiza Andriamanitry ny fitsarana?