Malachi 2:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Efa manasatra NY TOMPO amin’ny teninareo ianareo, nefa hoy ianareo: Amin’inona moa no anasaranay Azy? Amin’ny ilazanareo hoe: Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason’NY TOMPO ka ankasitrahany, na amin’ny hoe: Aiza ny Andriamanitry ny fitsarana?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efa nanasatra an’i Iaveh ianareo, tamin’ny teninareo. Ary hoy ianareo: Tamin’ny inona, no nanasaranay Azy? - Tamin’ny fanaovanareo hoe: Na zovy na zovy manao ratsy, dia tsara eo imason’i Iaveh, ary ireo olona ireo no ankasitrahiny! Na tamin’ny hoe: Aiza ny Andriamanitry ny fahamarinana?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Manasatra ny TOMPO amin’ny teninareo ianareo. Nefa manontany ianareo hoe: «Dia amin’inona no anasaranay Azy?» Amin’ny filazànareo hoe: «Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason’ny TOMPO, ary ny olona toy izany no sitrany.» Na koa amin’ny filazànareo hoe: «Aiza àry ilay Andriamanitra mampihatra ny rariny?»
Malagasy Bible 1865
Efa manasatra an'i Jehovah amin'ny teninareo ianareo. Nefa hoy ianareo: Amin'inona moa no anasaranay Azy? Amin'ny fanaovanareo hoe: Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason'i Jehovah ka ankasitrahany, na amin'ny hoe: Aiza Andriamanitry ny fitsarana?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Efa manasatra NY TOMPO amin’ny teninareo ianareo, nefa hoy ianareo: Amin’inona moa no anasaranay Azy? Amin’ny ilazanareo hoe: Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason’NY TOMPO ka ankasitrahany, na amin’ny hoe: Aiza ny Andriamanitry ny fitsarana?
malagasy
[Ny amin'ny andron'i Jehovah] Efa manasatra an'i Jehovah amin'ny teninareo ianareo. Nefa hoy ianareo: Amin'inona moa no anasaranay Azy? Amin'ny fanaovanareo hoe: Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason'i Jehovah ka ankasitrahany, na amin'ny hoe: Aiza Andriamanitry ny fitsarana?