Malachi 2:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia ho fantatrareo fa nampitondra izany didy izany ho aminareo Aho mba haharetan’ilay fanekeko tamin’i Levy, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia ho fantatrareo amin’izay, fa nandefa ity didy ity aminareo Aho, mba haharetan’ny fanekeko amin’i Levi, hoy i Iavehn’ny tafika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no efa nampitandrina anareo mba haharetan’ny fanekempihavanako amin’ny levita.
Malagasy Bible 1865
Dia ho fantatrareo fa nampitondra izany didy izany ho aminareo Aho, mba haharetan'ny fanekeko amin'i Levy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia ho fantatrareo fa nampitondra izany didy izany ho aminareo Aho mba haharetan’ilay fanekeko tamin’i Levy, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
malagasy
Dia ho fantatrareo fa nampitondra izany didy izany ho aminareo Aho, mba haharetan'ny fanekeko amin'i Levy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. [Na: mba ho fanekeko amin'ny Levy zanany]