Malachi 3:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro, haniraka ny irako Aho ary izy no hanamboatra lalana eo alohako; ary ny Tompo izay tadiavinareo dia ho avy tampoka ho eo an-tempoliny; ary ny Anjelin’ny fanekena izay irinareo dia indro, tamy Izy, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro Aho haniraka ny hirako, ka izy no hamboatra ny lalana eo alohako; dia ho tonga tampoka ao an-tempoliny ny Tompo tadiavinareo, ilay Anjelin’ny fanekena irinareo. Indro avy izy, hoy i Iavehn’ny tafika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka hoy ny TOMPOn’izao rehetra izao aminareo: «Indro Aho handefa ny irako mba hanamboatra lalana eo alohako; ary ny Tompo izay tadiavinareo dia ho tonga tampoka ao an- tempoliny. Ho tonga hitondra ny fanekempihavanako ilay iraka izay irinareo; indro avy tokoa Izy!»
Malagasy Bible 1865
Indro, haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra lalana eo alohako; ary ny Tompo Izay tadiavinareo dia ho avy tampoka ho eo an-tempoliny; ary ny Anjelin 'ny fanekena Izay irinareo, dia, indro, tamy Izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro, haniraka ny irako Aho ary izy no hanamboatra lalana eo alohako; ary ny Tompo izay tadiavinareo dia ho avy tampoka ho eo an-tempoliny; ary ny Anjelin’ny fanekena izay irinareo dia indro, tamy Izy, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
malagasy
Indro, haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra lalana eo alohako; ary ny Tompo Izay tadiavinareo dia ho avy tampoka ho eo an-tempoliny; ary ny Anjelin'ny fanekena Izay irinareo, dia, indro, tamy Izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. [Na: Iraky]