Malachi 3:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Entonareo ny fahafolonkarena rehetra ho ao amin’ny trano fitahirizako mba hasian-kanina ao an-tranoko; izahao toetra amin’izany Aho, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, raha tsy hovohako ho anareo ny varavaran’ny lanitra ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ento ny fahafolon-karena rehetra, ho ao an-trano firaketana ary aoka mba hisy hanina ao an-tranoko. Dia zahao toetra amin’izay Aho, hoy i Iaveh’ny tafika, raha tsy mamoha ny varavaran-danitra ho anareo, sy tsy mampidina fanambinana mihoa-pampana ho anareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ento manontolo àry ny ampahafolon-karena ho ao an-trano fitahirizana azy, mba tsy ho tapaka sakafo ao an- tempoliko. Ary zahao toetra amin’izany ny tenako, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao, dia ho hitanareo fa hovohako ho anareo ny vavahadin-dranon’ny lanitra hampidinako fitahiam-be miavosa aminareo.
Malagasy Bible 1865
Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin'ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin'izany Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, raha tsy hovohako ny varavaran'ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Entonareo ny fahafolonkarena rehetra ho ao amin’ny trano fitahirizako mba hasian-kanina ao an-tranoko; izahao toetra amin’izany Aho, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, raha tsy hovohako ho anareo ny varavaran’ny lanitra ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.
malagasy