Malachi 3:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’izany, izay natahotra NY TOMPO dia samy niresaka tamin’ny namany avy; ary NY TOMPO nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra NY TOMPO sy mihevitra ny anarany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izany, izay natahotra an’Andriamanitra, dia samy miresaka tamin’ny namany avy. Ary i Iaveh kosa nihaino, ka nahare Izy; ary nisy boky fahatsiarovana nosoratana teo anatrehany, ho an’ireo matahotra an’i Iaveh sy manaja ny Anarany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Toy izany no nifampiresahan’ireo manaja ny TOMPO. Dia nihaino tsara ny TOMPO ka nandre izany. Nisy firaketana an-tsoratra teo anatrehan’ny TOMPO an’ireo manaja Azy sy mankamamy ny anarany.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'izany izay natahotra an'i Jehovah dia samy niresaka tamin'ny namany avy; ary Jehovah nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an'i Jehovah sy mihevitra ny anarany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’izany, izay natahotra NY TOMPO dia samy niresaka tamin’ny namany avy; ary NY TOMPO nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra NY TOMPO sy mihevitra ny anarany.
malagasy