Malachi 3:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho rakitra soa ho Ahy ireny amin’ny andro izay hotendreko, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao; ho antra azy Aho, toy ny olona antra ny zanany lahy izay manompo azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’ny andro efa omaniko, hoy i Iavehn’ny tafika, ho raki-tsoa manokana ho Ahy ireo, ary ho feno fitiavana azy Aho toy ny mahafeno fitiavana ny olona amin’ny zanany manompo azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy ny TOMPOn’izao rehetra izao hoe: –Amin’ny andro izay hotendreko dia ho raki-tsoa fananako ireo olona ireo. Ary hitsimbina azy Aho toy ny fitsimbin-dray ny zanany izay manompo azy.
Malagasy Bible 1865
Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zananilahy izay manompo azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho rakitra soa ho Ahy ireny amin’ny andro izay hotendreko, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao; ho antra azy Aho, toy ny olona antra ny zanany lahy izay manompo azy.
malagasy
Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zananilahy izay manompo azy.