Malachi 3:19 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa indro, avy ny andro, mandoro toy ny fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary ka handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ka tsy hasiany miangana, na ny fotony na ny sampany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa indro avy ny andro, mivaivay toy ny memy. Ny mpiavonavona rehetra, sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho mololo, ary ny andro izay ho avy no handoro azy, hoy i Iavehn’ny tafika, ka tsy hasiany miangana na ny fakany na ny rantsany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao: Indro avy ilay andro ka mandoro tahaka ny fatana mivaivay. Amin’io andro io ny mpirehaka sy ny mpanao ratsy dia hodorana avokoa toy ny vodivary, ka tsy hisy miangana na ny fakany na ny sampany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa indro, avy ny andro, mandoro toy ny fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary ka handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ka tsy hasiany miangana, na ny fotony na ny sampany.
malagasy
Fa, indro, avy ny andro, mandoro toy na fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary; ka dia handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ka tsy hasiany miangana, na ny fakany na ny sampany.