Malachi 3:20 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hiposaka aminareo izay matahotra ny anarako ny masoandron’ny fahamarinana, mitondra fanasitranana eny amin’ny tanany; ary hivoaka ianareo ka hifaly havanja toy ny zanak’omby mifahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ianareo kosa izay matahotra ny Anarako, dia hiposahan’ny masoandron’ny fahamarinana, ka ho ao amin’ny tanamasoandrony ny fanasitranana; ka hivoaka ianareo, sady hifalihavanja, toy ny zanak’omby ao am-bala.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ho an’izay manaja ny anarako, dia izao no teniko: hiseho ny famonjeko toy ny masoandro miposaka manana fanasitranana ao amin’ny tànany. Ho afaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak’omby mivoaka ny vala.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hiposaka aminareo izay matahotra ny anarako ny masoandron’ny fahamarinana, mitondra fanasitranana eny amin’ny tanany; ary hivoaka ianareo ka hifaly havanja toy ny zanak’omby mifahy.
malagasy
Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron'ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin'ny tanany; ary hivoaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak'omby mifahy; [Heb. elany]