Malachi 3:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hanatona anareo ho fitsarana Aho ka ho vavolombelona hanameloka haingana ny mpitana ody, ny mpijangajanga, ny mpanao fianianana mandainga ary ny mpampahory ny mpikarama mbamin’ny mpitondratena sy ny kamboty, izay mampahory ny vahiny fa tsy matahotra Ahy, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hanatona anareo Aho ho amin’ny fitsarana; ary ho vavolombelona faingana hamely ny mpanao ody, ny mpaka vadin’olona, ny mpianian-tsy to, ny mpiharaka ny karaman’ny mpikarama, ny mpampahory ny kamboty sy ny mpitondratena, ny mandroaka ny vahiny ary ny tsy matahotra Ahy, hoy i Iavehn’ny tafika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy ny TOMPOn’izao rehetra izao hoe: «Ho avy eo aminareo Aho mba hitsara anareo. Ho dodona Aho hanameloka ny mpanao majika, ny mpanitsakitsa-bady, ny mpianiana lainga, ny mpamaly karaman’ny mpiasa, ny mpamoritra mpitondratena sy kamboty na koa ny mpampahory vahiny, dia izay rehetra tsy manaja Ahy.»
Malagasy Bible 1865
Ary hanatona anareo ho fitsarana Aho ka ho vavolombelona faingana hanameloka ny mpanana ody sy ny mpijangajanga sy ny mpianian-tsy tò sy ny mpampahory ny mpikarama amin'ny karamany mbamin'ny mpitondratena sy ny kamboty ary izay mampahory ny vahiny; fa tsy matahotra Ahy izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hanatona anareo ho fitsarana Aho ka ho vavolombelona hanameloka haingana ny mpitana ody, ny mpijangajanga, ny mpanao fianianana mandainga ary ny mpampahory ny mpikarama mbamin’ny mpitondratena sy ny kamboty, izay mampahory ny vahiny fa tsy matahotra Ahy, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
malagasy