Malachi 3:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hatramin’ny andron’ny razanareo dia efa niala tamin’ny didiko ianareo ka tsy nitandrina azy. Miverena Amiko dia mba hiverina aminareo kosa Aho, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Nefa hoy ianareo: Ahoana ary no ho fiverenanay?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hatramin’ny andron’ny razanareo, no efa nihatahanareo tamin’ny fitsipiko sy efa tsy nitandremanareo azy. Miverena Amiko, dia hiverina aminareo Aho, hoy i Iavehn’ny tafika. - Fa hoy ianareo: Ny amin’inona no hiverenanay? -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hatramin’ireo razana talohanareo no efa nialanareo tamin’ny didiko ka tsy nitandremanareo izany. Miverena amiko, dia hiverina aminareo koa ny tenako, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao. Nefa dia hoy ianareo hoe: ‹Ahoana no iverenanay aminao?›
Malagasy Bible 1865
Hatramin'ny andron'ny razanareo dia efa niala tamin'ny didiko ianareo ka tsy nitandrina azy. Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Nefa hoy ianareo: Ahoana ary no ho fiverinay?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hatramin’ny andron’ny razanareo dia efa niala tamin’ny didiko ianareo ka tsy nitandrina azy. Miverena Amiko dia mba hiverina aminareo kosa Aho, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Nefa hoy ianareo: Ahoana ary no ho fiverenanay?
malagasy