Malachi 3:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Afaka handroba an’Andriamanitra va ny olona? Satria mandroba Ahy ianareo. Nefa hoy ianareo: Amin’inona moa no androbanay Anao? Amin’ny fahafolonkarena sy ny anjara fanomezana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Olombelona va no sahy hanambaka an’Andriamanitra, no hanambaka Ahy ianareo? - Ary hoy ianareo: Tamin’ny inona no nanambakanay Anao? - Tamin’ny fahafolon-karena sy ny anjara atokana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hamaly anareo Aho hoe: ‹Azon’ny olona fitahina ve Andriamanitra no mamitaka Ahy ianareo?› Dia manontany indray ianareo hoe: ‹Amin’inona no amitahanay Anao?› Amin’ny fandrotsahana ny ampahafolon-karena sy amin’ny fanaovanareo fanatitra.
Malagasy Bible 1865
Handroba an'Andriamanitra va ny olona, no mandroba Ahy ianareo? Nefa hoy ianareo: Amin'inona moa no androbanay Anao? Amin'ny fahafolon-karena sy ny fanatitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Afaka handroba an’Andriamanitra va ny olona? Satria mandroba Ahy ianareo. Nefa hoy ianareo: Amin’inona moa no androbanay Anao? Amin’ny fahafolonkarena sy ny anjara fanomezana.
malagasy
Handroba an'Andriamanitra va ny olona, no mandroba Ahy ianareo? Nefa hoy ianareo: Amin'inona moa no androbanay Anao? Amin'ny fahafolon-karena sy ny fanatitra. [Heb. fanatitra asandratra]