Mark 1:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niantso azy ireo niaraka tamin’izay Izy; ary nandao an’i Zebedio rainy mbamin’ny olona nokaramainy tao an-tsambokely izy mirahalahy dia nanaraka an’i Jesosy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niantso azy niaraka tamin’izay Izy, ka nilaozan’izy mirahalahy teo an-tsambo keliny i Zebede rainy sy ny mpikaramany, fa lasa nanaraka an’i Jesoa izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nantsoin’i Jesoa avy hatrany izy mirahalahy; dia nilaozany teo an-tsambokely i Zebedeo rainy mbamin’ireo mpikarama, fa lasa izy roa lahy niaraka tamin’i Jesoa.
Malagasy Bible 1865
Dia niantso azy niaraka tamin'izay Izy; ary izy mirahalahy nandao an'i Zebedio rainy teo an-tsambokely mbamin'ny olona nokaramainy, ka dia nanaraka an'i Jesosy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niantso azy ireo niaraka tamin’izay Izy; ary nandao an’i Zebedio rainy mbamin’ny olona nokaramainy tao an-tsambokely izy mirahalahy dia nanaraka an’i Jesosy.
malagasy
Dia niantso azy niaraka tamin'izay Izy; ary izy mirahalahy nandao an'i Zebedio rainy teo an-tsambokely mbamin'ny olona nokaramainy, ka dia nanaraka an'i Jesosy.