Mark 1:39 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandeha Izy ka nitoriteny tany amin’ny sinagogan’ny olona manerana an’i Galilia sady nandroaka ny demonia.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia lasa Izy nitory tamin’ny sinagogan’ny olona sy eran’i Galilea rehetra, sady nandroaka ny demony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia lasa i Jesoa nitety an’i Galilea manontolo, nitoriteny tany amin’ny sinagôga n-dry zareo Jiosy sady nandroaka ny demony.
Malagasy Bible 1865
Dia nandeha Izy ka nitori-teny tao amin'ny synagogan'ny olona eran'i Galilia sady namoaka ny demonia.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandeha Izy ka nitoriteny tany amin’ny sinagogan’ny olona manerana an’i Galilia sady nandroaka ny demonia*.
malagasy
Dia nandeha Izy ka nitori-teny tao amin'ny synagogan'ny olona eran'i Galilia sady namoaka ny demonia.