Mark 1:44 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
no niteny taminy hoe: Tandremo tsara mba tsy hisy holazainao na amin’iza na amin’iza izao, fa mandehana, misehoa aloha amin’ny mpisorona ka manolora ny fanatitra fanadiovana anao, izay nandidian’i Mosesy ho vavolombelona amin’ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
nanao hoe: «Tandremo, aza milaza izany na amin’iza na amin’iza ianao, fa mandehana misehoa amin’ny mpisorona, ary noho ny nanadiovana anao dia manatera ny fanatitra nodidian’i Môizy, mba ho vavolombelona amin’ny vahoaka.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
nataony hoe: –Tandremo mihitsy ny milaza izao na amin’iza na amin’iza; fa mandehana miseho amin’ny mpisorona ary ento ny fanatitra voadidin’i Mosesy mba ho vavolombelona amin’ny olona fa madio ianao.
Malagasy Bible 1865
ka nanao taminy hoe: Tandremo tsara mba tsy hisy holazainao na amin'iza na amin'iza; fa mandehana, misehoa amin'ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao, izay nandidian'i Mosesy, ho vavolombelona amin'ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
no niteny taminy hoe: Tandremo tsara mba tsy hisy holazainao na amin’iza na amin’iza izao, fa mandehana, misehoa aloha amin’ny mpisorona ka manolora ny fanatitra fanadiovana anao, izay nandidian’i Mosesy ho vavolombelona amin’ireo.
malagasy
ka nanao taminy hoe: Tandremo tsara mba tsy hisy holazainao na amin'iza na amin'iza; fa mandehana, misehoa amin'ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao, izay nandidian'i Mosesy, ho vavolombelona amin'ireo.Nefa lasa ralehilahy ka nilazalaza sy nampiely izany zavatra izany, ka dia tsy nahazo niditra miharihary tao an-tanàna intsony Jesosy; fa nitoetra tany ivelany tamin'ny tany foana Izy, dia nanatona Azy ny olona avy eny tontolo eny.