Mark 1:45 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa lasa Ralehilahy ka nanomboka nitantara sy nampiely izay zava-niseho, hany ka tsy nahazo niditra miharihary tao an-tanàna intsony Jesosy fa nitoetra tany ivelany tany amin’ny tany efitra Izy; dia nanatona Azy ny olona avy teny amin’ny manodidina rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Kanjo nony lasa ralehilahy dia nilazalaza sy nampiely izany hatraiza hatraiza, hany ka tsy afa-niditra niharihary tao an-tanàna intsony i Jesoa, fa nitoetra teny ivelany tamin’ny tany mangigina Izy, ary nohatonin’ny olona avy eny tontolo eny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanjo raha vao niala teo ralehilahy, dia nanao antso avo izay nitranga taminy ary nampiely izany. Koa tsy afa-niditra an-tanàna tamin’ny fomba miharihary intsony i Jesoa; fa dia any amin’ny toerana mangina ivelan-tanàna any foana Izy, kanefa mbola nohatonin’ny olona avy eny rehetra eny.
Malagasy Bible 1865
Nefa lasa ralehilahy ka nilazalaza sy nampiely izany zavatra izany, ka dia tsy nahazo niditra miharihary tao an-tanàna intsony Jesosy; fa nitoetra tany ivelany tamin'ny tany foana Izy, dia nanatona Azy ny olona avy eny tontolo eny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa lasa Ralehilahy ka nanomboka nitantara sy nampiely izay zava-niseho, hany ka tsy nahazo niditra miharihary tao an-tanàna intsony Jesosy fa nitoetra tany ivelany tany amin’ny tany efitra Izy; dia nanatona Azy ny olona avy teny amin’ny manodidina rehetra.
malagasy