Mark 1:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandeha nanatona azy ny tany Jodia manontolo sy ny mponina tsy an-kanavaka tany Jerosalema ka nataony batisa tao amin’ny ony Jordana ireny rehefa niaiky ny fahotany avy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nandeha nanatona azy ny tany Jodea rehetra sy ny mponina rehetra tao Jerosalema, ka nataony batemy tamin’ny onin’i Jordany ireo, rehefa niaiky ny fahotany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nirohotra nankeo amin’i Jôhany avokoa ny olona avy any Jodea lafy valo sy avy any Jerosalema; ary niaiky heloka ireo ka dia nataon’i Jôhany batisa tao amin’ny ony Jôrdàna.
Malagasy Bible 1865
Dia nandeha nanatona azy ny tany Jodia rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema, ka nataony batisa tao amin'ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandeha nanatona azy ny tany Jodia* manontolo sy ny mponina tsy an-kanavaka tany Jerosalema ka nataony batisa tao amin’ny ony Jordana ireny rehefa niaiky ny fahotany avy.
malagasy
Dia nandeha nanatona azy ny tany Jodia rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema, ka nataony batisa tao amin'ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany.