Mark 10:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niainga niala teo Jesosy dia tonga tany amin’ny faritanin’i Jodia sy tany andafin’i Jordana. Ary nisy vahoaka betsaka indray niangona teo Aminy; koa araka ny fanaony dia nampianatra azy ireo indray Izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony niala teo izy dia tonga tany amin’ny sisin-tanin’i Jodea, andafin’i Jordany; ary nivory teo aminy indray ny vahoaka, ka nampianariny indray araka ny fanaony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony niala teo i Jesoa, dia nankany amin’ny faritra antsisin’i Jodea, eny andafin’ny ony Jôrdàna. Ary tonga maro teo aminy indray ny olona, ka nampianariny toy ny fanaony.
Malagasy Bible 1865
Ary niainga niala teo Jesosy, dia tonga tany amin'ny sisin-tanin'i Jodia sy tany an-dafin'i Jordana; ary nisy vahoaka betsaka indray niangona teo aminy; koa araka ny fanaony dia nampianatra azy indray Izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary niainga niala teo Jesosy dia tonga tany amin’ny faritanin’i Jodia* sy tany andafin’i Jordana. Ary nisy vahoaka betsaka indray niangona teo Aminy; koa araka ny fanaony dia nampianatra azy ireo indray Izy.
malagasy
Ary niainga niala teo Jesosy, dia tonga tany amin'ny sisin-tanin'i Jodia sy tany an-dafin'i Jordana; ary nisy vahoaka betsaka indray niangona teo aminy; koa araka ny fanaony dia nampianatra azy indray Izy.