Mark 10:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Kanefa tezitra Jesosy raha nahita izany ka hoy Izy taminy: Avelao ny zaza hanatona Ahy ary aza rarana; fa an’izay toa azy ny fanjakan’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka tezitra i Jesoa nony nahita izany sady nanao taminy hoe: «Avelao hanatona Ahy ny zaza, fa aza raranareo, satria ny toa azy no hanana ny fanjakan’Andriamanitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nahita izany i Jesoa ka tezitra ary nilaza tamin’ny mpianany hoe: –Avelao ny ankizy madinika hanatona Ahy, fa aza raràna, satria an’ny toa azy ireny ny Fanjakàn’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Nefa tezitra Jesosy, raha nahita izany, ka hoy Izy taminy: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an'ny toa azy ny fanjakan'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Kanefa tezitra Jesosy raha nahita izany ka hoy Izy taminy: Avelao ny zaza hanatona Ahy ary aza rarana; fa an’izay toa azy ny fanjakan’Andriamanitra.
malagasy
Nefa tezitra Jesosy, raha nahita izany, ka hoy Izy taminy: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an'ny toa azy ny fanjakan'Andriamanitra.