Mark 10:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary Jesosy nijery azy tsara dia tia azy ka niteny taminy hoe: Diso zavatra iray loha ianao: Mandehana, amidio izay rehetra anananao ka omeo ho an’ny mahantra, dia hanana rakitra any an-danitra ianao. Ary avia hanaraka Ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nijery azy i Jesoa, dia tia azy ka nanao taminy hoe: «Zavatra iray loha no tsy ampy aminao: mandehana, amidio ny fanananao rehetra ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao, ary raha efa izany dia avia hanaraka Ahy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nijery azy tsara i Jesoa ka velom-pitiavana azy ary niteny taminy hoe: –Zavatra iray no tsy ampy aminao; ndeha amidio ny fanananao rehetra ka zarao amin’ny mahantra ny vidiny, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; raha efa izany, dia hiaraka amiko.
Malagasy Bible 1865
Ary Jesosy nijery azy tsara, dia tia azy ka nanao taminy hoe: Diso zavatra iray loha ianao; mandehana, amidio izay rehetra anananao ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary Jesosy nijery azy tsara dia tia azy ka niteny taminy hoe: Diso zavatra iray loha ianao: Mandehana, amidio izay rehetra anananao ka omeo ho an’ny mahantra, dia hanana rakitra any an-danitra ianao. Ary avia hanaraka Ahy.
malagasy