Mark 10:32 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary Jesosy sy ny mpianany dia teny an-dalana niakatra ho any Jerosalema, ary Jesosy no nandeha teo alohany. Dia gaga ny mpianany, ary izay nanaraka Azy dia natahotra. Ary naka ny roa amby folo lahy indray Izy dia nilaza taminy izay efa hanjo Azy
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nony mby teny an-dalana ho any Jerosalema izy ireo, dia i Jesoa no lohalalana, ka sady gaga ny mpianany no natahotra teny am-panarahana Azy. Dia nalainy indray ny roa ambin’ny folo lahy ka nilazany ny hanjò Azy:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Teny an-dalana miakatra ho any Jerosalema i Jesoa sy ny mpianany; ka i Jesoa no lohalalana, ary gaga ny mpianatra; ny olon-kafa tafara-dia tamin-dry zareo kosa raiki-tahotra. Dia nalain’i Jesoa ho eo aminy indray ny 12 lahy, ka nilazany an’izay madiva hanjo Azy:
Malagasy Bible 1865
Ary Jesosy sy ny mpianany dia teny an-dalana niakatra ho any Jerosalema, ary Jesosy nandeha eo alohany; dia gaga ny mpianany, ary izay nanaraka Azy dia natahotra. Ary naka ny roa ambin'ny folo lahy indray Izy, dia nilaza taminy izay efa hanjo Azy
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary Jesosy sy ny mpianany dia teny an-dalana niakatra ho any Jerosalema, ary Jesosy no nandeha teo alohany. Dia gaga ny mpianany, ary izay nanaraka Azy dia natahotra. Ary naka ny roa amby folo lahy indray Izy dia nilaza taminy izay efa hanjo Azy
malagasy