Mark 10:39 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy izy mirahalahy Taminy: Hainay ihany izany. Hoy Jesosy taminy: Raha ny kapoaka izay isotroako dia hisotroanareo ihany ary ny batisa izay anaovana Ahy batisa dia hatao aminareo ihany;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Zakanay» hoy ireo taminy. Fa hoy kosa i Jesoa: «Raha ny kapoaka hosotroiko, dia hosotroinareo ihany tokoa, ary ny batemy hanaovana batemy Ahy dia hanaovana batemy anareo ihany koa;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka novalian’ireo hoe: –Vitanay! Dia hoy i Jesoa taminy: –Ny fijaliana hiaretako dia hiaretanareo tokoa, ary ny batisa hirosoako dia hirosoanareo tokoa;
Malagasy Bible 1865
Dia hoy izy mirahalahy taminy: Hainay ihany. Ary hoy Jesosy taminy: Raha ny kapoaka izay sotroiko, dia hosotroinareo ihany, ary ny batisa izay anaovana Ahy batisa dia hanaovana anareo ihany;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy izy mirahalahy Taminy: Hainay ihany izany. Hoy Jesosy taminy: Raha ny kapoaka izay isotroako dia hisotroanareo ihany ary ny batisa izay anaovana Ahy batisa dia hatao aminareo ihany;
malagasy
Dia hoy izy mirahalahy taminy: Hainay ihany. Ary hoy Jesosy taminy: Raha ny kapoaka izay sotroiko, dia hosotroinareo ihany, ary ny batisa izay anaovana Ahy batisa dia hanaovana anareo ihany;