Mark 10:42 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa Jesosy niantso azy ireo hanatona Azy ka niteny taminy hoe: Fantatrareo fa izay eken’ny Jentilisa ho mpanapaka aminy dia mampanompo azy, ary ny lehibeny dia manapaka aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa nantsoin’i Jesoa izy ireo ka nilazany hoe: «Fantatreo fa amin’ny fanjakan’izao tontolo izao, dia ny mpifehy no mitsangana ho tompo mandidy, ary ny lehibe no miseho ho mpanapaka manam-pahefana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa nantsoin’i Jesoa hanatona azy izy rehetra ka nilazany hoe: –Fantatrareo fa, eo amin’ny hafa firenena, ireo heverina hoe filohany dia manjakazaka; ary ny lehibeny dia manampatra fahefana.
Malagasy Bible 1865
Fa Jesosy niantso azy hanatona Azy ka nanao taminy hoe: Fantatrareo fa izay eken'ny jentilisa ho mpanapaka dia mampanompo azy, ary ny lehibeny dia mifehy azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa Jesosy niantso azy ireo hanatona Azy ka niteny taminy hoe: Fantatrareo fa izay eken’ny Jentilisa* ho mpanapaka aminy dia mampanompo azy, ary ny lehibeny dia manapaka aminy.
malagasy
Fa Jesosy niantso azy hanatona Azy ka nanao taminy hoe: Fantatrareo fa izay eken'ny jentilisa ho mpanapaka dia mampanompo azy, ary ny lehibeny dia mifehy azy.