Mark 11:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary rehefa nanakaiky an’i Jerosalema ho any Betifaga sy Betania, teo akaikin’ny tendrombohitra Oliva izy ireo, dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany Jesosy
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony mby akaiky an’i Jerosalema sy tonga tao Betania anilan’ny tendrombohitra Oliva Izy, dia naniraka roalahy tamin’ny mpianany,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nanakaiky an’i Jerosalema i Jesoa mbamin’ny mpianany sy ny vahoaka tafaraka taminy, ka mby tao amin’ny faritr’i Betifage sy i Betania, teo akaikin’ny tendrombohitra atao hoe Analanôliva. Dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany i Jesoa
Malagasy Bible 1865
Ary raha nanakaiky any Jerosalema tao Betifaga sy Betania any an-tendrombohitra Oliva izy, dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianany Jesosy
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary rehefa nanakaiky an’i Jerosalema ho any Betifaga sy Betania, teo akaikin’ny tendrombohitra Oliva izy ireo, dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany Jesosy
malagasy
Ary raha nanakaiky any Jerosalema tao Betifaga sy Betania any an-tendrombohitra Oliva izy, dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianany Jesosy