Mark 11:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nahatsinjo hazo aviavy mandravina iray terỳ lavidavitra Izy dia nankeo, sao mba hahita voany eo aminy; kanjo nony tonga teo Izy dia tsy nahita na inona na inona afa-tsy ravina ihany, fa mbola tsy fotoana famoazan’ny aviavy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary nahatazan-davitra aviavy iray mandravina Izy, dia nankao hizaha raha sendra misy voany; fa nony mby teo Izy, dia tsy nahita na inona na inona afa-tsy ravina, satria tsy taom-pamoazan’ny aviavy tamin’izay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nahatazana aviavy anankiray nandrobona Izy; ka lasa nankeo nizaha raha sendra nisy voany; kanjo nony tonga teo Izy, dia tsy nahita na inona na inona afa-tsy raviny fotsiny, satria tsy fotoanan’ny aviavy.
Malagasy Bible 1865
Ary nahatsinjo aviavy anankiray mandravina erỳ lavidavitra Izy, dia nankeo, fa toa hahita voany eo aminy; kanjo nony tonga teo aminy Izy, dia tsy nahita na inona na inona, afa-tsy ravina ihany; fa tsy mbola tonga ny taom-pamoazan'ny aviavy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nahatsinjo hazo aviavy mandravina iray terỳ lavidavitra Izy dia nankeo, sao mba hahita voany eo aminy; kanjo nony tonga teo Izy dia tsy nahita na inona na inona afa-tsy ravina ihany, fa mbola tsy fotoana famoazan’ny aviavy.
malagasy