Mark 11:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary tonga tany Jerosalema izy ireo dia niditra tao amin’ny tempoly Jesosy ka nandroaka izay nivarotra sy izay nividy tao amin’ny tempoly sady nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny sezan’ny mpivarotra voromailala.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia tonga tany Jerosalema izy ireo, ka nony niditra tao amin’ny Tempoly i Jesoa, dia nandroaka izay nivarotra sy nividy tao, ary nanjera ny latabatry ny mpampisambo-bola sy ny fipetrahan’ny mpivaro-boromahailala,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia tonga tao Jerosalema ry zareo. Ary namantana tao an- kianjan’ny tempoly i Jesoa; ka ireo mpivarotra sy mpividy teo noroahiny, ny latabatr’ireo mpanakalo vola sy ny sezan’ireo mpivaro-boromahailala nazerany,
Malagasy Bible 1865
Ary tonga tany Jerosalema izy: ary Jesosy niditra teo an-kianjan'ny tempoly, dia nandroaka izay nivarotra sy izay nividy teo an-kianjan'ny tempoly sady nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan'ny mpivarotra ny voromailala;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary tonga tany Jerosalema izy ireo dia niditra tao amin’ny tempoly Jesosy ka nandroaka izay nivarotra sy izay nividy tao amin’ny tempoly sady nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny sezan’ny mpivarotra voromailala.
malagasy