Mark 11:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nampianatra Izy ka niteny tamin’ireo hoe: Tsy izao va no voasoratra: «Ny tranoko dia hatao hoe trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra»? (Isa 56.7) Fa ianareo kosa dia nanao azy ho «zohy fieren’ny jiolahy» (Jer 7.11).
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
sady nampianatra Izy, nanao hoe: «Moa tsy voasoratra hoe: Ny tranoko dia hatao trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra? fa ianareo kosa efa nanao azy ho zohy fieren’ny jiolahy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nampianatra ny olona i Jesoa ary nanao taminy hoe: –Tsy izao ve no voalazan’ny Soratra Masina: «Ny tranoko dia hantsoina hoe trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra»? Nefa he ity izy ataonareo zohy fieren’ny mpangalatra!
Malagasy Bible 1865
Dia nampianatra Izy ka nanao taminy hoe: Tsy voasoratra hoe va: Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra? (Isa. 56. 7); fa ianareo kosa efa nanao azy ho zohy fieren'ny jiolahy (Jery. 7. 11).
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nampianatra Izy ka niteny tamin’ireo hoe: Tsy izao va no voasoratra: «Ny tranoko dia hatao hoe trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra»? (Isa 56.7) Fa ianareo kosa dia nanao azy ho «zohy fieren’ny jiolahy» (Jer 7.11).
malagasy