Mark 11:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nahare izany ireo lehiben’ny mpisorona mbamin’ny mpanoradalàna dia nitady izay hamonoany Azy; saingy natahotra Azy izy ireo, satria ny vahoaka rehetra dia talanjona noho ny fampianarany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nahare izany ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna dia nitady izay hahafaty Azy; saingy natahotra Azy izy ireo satria nigagan’ny vahoaka rehetra ny fampianarany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nahare izany ny lohandoha-mpisorona sy ny mpahay lalàna, ka nitady izay fomba hamonoana an’i Jesoa; fa natahotra Azy manko ry zareo satria nahatalanjona ny vahoaka rehetra ny fampianarany.
Malagasy Bible 1865
Ary nahare izany ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny mpanora-dalàna, ka dia nitady izay hamonoany Azy; saingy natahotra Azy izy, satria talanjona ny vahoaka rehetra noho ny fampianarany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nahare izany ireo lehiben’ny mpisorona mbamin’ny mpanoradalàna* dia nitady izay hamonoany Azy; saingy natahotra Azy izy ireo, satria ny vahoaka rehetra dia talanjona noho ny fampianarany.
malagasy
Ary nahare izany ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny mpanora-dalàna, ka dia nitady izay hamonoany Azy; saingy natahotra Azy izy, satria talanjona ny vahoaka rehetra noho ny fampianarany.