Mark 11:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia tonga tany Jerosalema indray izy ireo; ary raha nitsangantsangana tao amin’ny tempoly Jesosy dia nanatona Azy ireo lehiben’ny mpisorona sy ny mpanoradalàna ary ny loholona
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia tonga tany Jerosalema indray izy ireo. Ary raha niasa dia, teo anatin’ny Tempoly i Jesoa, dia nanatona Azy ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia tonga tao Jerosalema indray i Jesoa sy ny mpianany. Ary nandehandeha teo an-kianjan’ny tempoly i Jesoa no nanatona Azy ny lohandoha-mpisorona sy ny mpahay lalàna ary ny loholona.
Malagasy Bible 1865
ka nanao taminy hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao zavatra izao? Ary iza no nanome Anao izany fahefana izany hanaovanao izao zavatra izao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia tonga tany Jerosalema indray izy ireo; ary raha nitsangantsangana tao amin’ny tempoly Jesosy dia nanatona Azy ireo lehiben’ny mpisorona sy ny mpanoradalàna* ary ny loholona
malagasy
Ary tonga tany Jerosalema indray izy; ary raha nitsangantsangana teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia nanatona Azy ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona