Mark 11:31 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary izy ireo nikaon-doha ka niteny hoe: Raha lazaintsika mantsy hoe: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana ary no tsy nino azy ianareo?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nieritreritra izy ireo, ka nanao hoe: «Raha valiantsika hoe avy any an-danitra mantsy, dia hataony hoe: Nahoana àry no tsy ninoanareo?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia velona ady hevitra ry zareo ka nifampiresaka hoe: –Raha lazaintsika hoe: «Andriamanitra no naniraka azy», dia hanontany Izy hoe: «Koa nahoana no tsy ninoanareo i Jôhany?»
Malagasy Bible 1865
Fa raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin'ny olona, natahotra ny olona izy, satria neken'ny olona rehetra fa mpaminany tokoa Jaona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary izy ireo nikaon-doha ka niteny hoe: Raha lazaintsika mantsy hoe: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana ary no tsy nino azy ianareo?
malagasy
Ary izy ireo niara-nisaina ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana ary no tsy nino azy ianareo?