Mark 12:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanomboka niteny tamin’ireo tamin’ny alalan’ny fanoharana Izy hoe: Nisy lehilahy iray nanao tanim-boaloboka ka namefy azy manodidina sy nihady lavaka famiazana ary nanorina trano fiambenana, dia nahofany tamin’olona mpiasa tany izany ka lasa nankany an-tany hafa izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary niteny tamin’izy ireo tamin’ny fanoharana Izy nanao hoe: «Nisy lehilahy anankiray namboly voaloboka, ka namefy azy manodidina, nandavaka tany hanaovana famiazana, nanorina tilikambo tao, ary nampanofa azy tamin’ny mpamboly voaloboka, dia lasa nankany an-tany hafa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary dia fanoharana indray no nitenenan’i Jesoa tamin’ireo lohandoha-mpisorona sy mpahay lalàna ary loholona, ka hoy Izy: –Nisy lehilahy nanamboatra tanimboaloboka sy namefy azy manodidina ary nanao lavaka famiazam-bokatra sy tilikambo fiambenana, dia nampanofa azy tamina mpamboly ary lasa nankany an-tany hafa.
Malagasy Bible 1865
Ary niteny taminy Izy ka nanao fanoharana hoe: Nisy lehilahy anankiray nanao tanim-boaloboka ka namefy azy manodidina sy nihady famiazana ary nanao tilikambo, ka nahofany tamin'olona mpiasa tany izany, dia lasa nankany an-tany hafa izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanomboka niteny tamin’ireo tamin’ny alalan’ny fanoharana Izy hoe: Nisy lehilahy iray nanao tanim-boaloboka ka namefy azy manodidina sy nihady lavaka famiazana ary nanorina trano fiambenana, dia nahofany tamin’olona mpiasa tany izany ka lasa nankany an-tany hafa izy.
malagasy