Mark 12:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa tonga ireo dia niteny Taminy hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa marina Ianao ka tsy mampiova Anao ny hevitry ny olona ary tsy mba mizaha tavan’olona Ianao fa mampianatra marina ny lalànan’Andriamanitra. Mety va ny mandoa vola hetra ho an’i Kaisara sa tsia? Hanome va izahay sa tsy hanome?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka nony tonga ireo dia nanao taminy hoe: «Ry Mpampianatra ô, fantatray fa marina ianao ka tsy mampaninona Anao ny olona, satria tsy mba mizaha tavan’olona ianao, fa mampianatra ny lalan’Andriamanitra araka ny marina. Moa mety va sa tsia ny mandoa hetra ho an’i Sezara: handoa izahay sa tsy handoa?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka nony tonga teo ry zareo, dia nanao taminy hoe: –Mpampianatra ô, fantatray fa milaza ny marina Ianao sady tsy mampaninona anao izay mety ho hevitry ny hafa, ary tsy mizaha tavan’olona Ianao fa mampianatra tsotra ny lalana soritan’Andriamanitra. Koa azonay atao ve ny mandoa hetra ho an’ny amperôra rômanina sa tsia? Tokony handoa izahay sa tsy handoa?
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa tonga izy ireo, dia nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa marina Hianao, ka tsy mampaninona Anao ny hevitry ny olona, fa tsy mba mizaha tavan'olona Hianao, fa mampianatra marina ny lalan'Andriamanitra. Mety va ny mandoa vola hetra ho an'i Kaisara, sa tsia?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa tonga ireo dia niteny Taminy hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa marina Ianao ka tsy mampiova Anao ny hevitry ny olona ary tsy mba mizaha tavan’olona Ianao fa mampianatra marina ny lalànan’Andriamanitra. Mety va ny mandoa vola hetra ho an’i Kaisara sa tsia? Hanome va izahay sa tsy hanome?
malagasy