Mark 12:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa momba ny fitsanganan’ny maty, mbola tsy novakinareo va ny ao amin’ny Bokin’i Mosesy, eo amin’ilay teny milaza ny roimemy, dia ny nanaovan’Andriamanitra taminy hoe: «Izaho no Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba» (Eks 3.6)?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary raha ny amin’ny fitsanganan’ny maty, moa tsy mbola novakinareo va ao amin’ny bokin’i Môizy, amin’ilay misy ny voaroy, izay nilazan’Andriamanitra taminy hoe: Izaho no Andriamanitr’i Abrahama, sy Andriamanitr’i Isaaka, ary Andriamanitr’i Jakôba?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ny amin’ny hoe hitsangana ho velona ny maty, moa tsy novakînareo ao amin’ny bokin’i Mosesy ve ny toko momba ny Roimemy? Fa ao no nitenenan’Andriamanitra tamin’i Mosesy hoe: «Izaho no Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Itsehàka ary Andriamanitr’i Jakôba!»
Malagasy Bible 1865
Ka ny amin'ny hananganana ny maty, tsy mbola novakinareo va ny eo amin'ny bokin'i Mosesy, eo amin'ilay teny milaza ny Voaroy, dia ny nanaovan'Andriamanitra taminy hoe: Izaho no Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'isaka ary Andriamanitr'i Jakoba? (Eks. 3. 6.)
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa momba ny fitsanganan’ny maty, mbola tsy novakinareo va ny ao amin’ny Bokin’i Mosesy, eo amin’ilay teny milaza ny roimemy, dia ny nanaovan’Andriamanitra taminy hoe: «Izaho no Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba» (Eks 3.6)?
malagasy