Mark 12:28 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanatona an’i Jesosy ny iray tamin’ireo mpanoradalàna izay nahare azy ireo niady hevitra ka nahita fa namaly azy tsara Izy, dia nanontany Azy hoe: Ny didy manao ahoana moa no voalohany amin’izy rehetra?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nisy mpanora-dalàna anankiray nahare izany ady hevitra izany sy nahita ny namalian’i Jesoa azy tsara, ka mba rafitra nanatona Azy koa sy nanontany Azy hoe: «Inona no voalohany amin’ny didy rehetra?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nisy mpahay lalàna anankiray nahare izany ady hevitra izany sady nahita fa namaly tsara an’ireo Tsadoseanina i Jesoa. Dia nanatona an’i Jesoa ity mpahay lalàna ka nanontany Azy hoe: –Inona no voalohany amin’ny didy rehetra?
Malagasy Bible 1865
Dia nanatona an'i Jesosy ny mpanora-dalàna anankiray, izay efa nahare ny niadiany hevitra tamin'ny Sadoseo ka nahalala fa namaly azy tsara Izy, dia nanontany Azy hoe: Ny didy manao ahoana no voalohany amin'izy rehetra?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanatona an’i Jesosy ny iray tamin’ireo mpanoradalàna* izay nahare azy ireo niady hevitra ka nahita fa namaly azy tsara Izy, dia nanontany Azy hoe: Ny didy manao ahoana moa no voalohany amin’izy rehetra?
malagasy
Dia nanatona an'i Jesosy ny mpanora-dalàna anankiray, izay efa nahare ny niadiany hevitra tamin'ny Sadoseo ka nahalala fa namaly azy tsara Izy, dia nanontany Azy hoe: Ny didy manao ahoana no voalohany amin'izy rehetra?