Mark 12:33 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary ny ho tia Azy amin’ny fo manontolo, amin’ny saina manontolo, amin’ny hery rehetra, ary ny ho tia ny namana tahaka ny tena, dia mihoatra lavitra noho ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra hafa rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka ny tia Azy amin’ny fo manontolo, sy amin’ny fanahy manontolo, ary amin’ny hery manontolo, ary ny tia namana tahaka ny tena, dia lehibe lavitra noho ny sorona dorana rehetra sy ny fanatitra hafa rehetra.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka ny mitia Azy amin’ny fo manontolo sy amin’ny saina manontolo ary amin’ny hery manontolo, sy ny mitia namana tahaka ny itiavana ny tena dia manoatra lavitra noho ny biby dorana eo amin’ny alitara sy ny sorona isan-karazany.
Malagasy Bible 1865
Ary ny ho tia Azy amin'ny fo rehetra sy ny saina rehetra sy ny hery rehetra, ary ny ho tia ny namana tahaka ny tena, dia mihoatra lavitra noho ny fanatitra hodorana sy ny fanatitra hafa rehetra izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary ny ho tia Azy amin’ny fo manontolo, amin’ny saina manontolo, amin’ny hery rehetra, ary ny ho tia ny namana tahaka ny tena, dia mihoatra lavitra noho ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra hafa rehetra.
malagasy