Mark 12:43 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary Jesosy niantso ny mpianany hanatona Azy ka niteny taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena mahantra io dia nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nantsoin’i Jesoa ny mpianany ka nilazany hoe: «Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka indrindra tamin’izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nantsoin’i Jesoa ireo mpianany ka nilazany hoe: –Lazaiko marina aminareo fa io vehivavy mpitondratena mahantra io no nandrotsaka be indrindra tamin’ny olona nandrotsa-bola tao amin’ny vata fitoeran-drakitra.
Malagasy Bible 1865
Ary Jesosy niantso ny mpianany hanatona Azy ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin'ny fandatsahan-drakitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary Jesosy niantso ny mpianany hanatona Azy ka niteny taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena mahantra io dia nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra;
malagasy
Ary Jesosy niantso ny mpianany hanatona Azy ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin'ny fandatsahan-drakitra.Fa ireo rehetra ireo, dia tamin'ny haben'ny fananany ho nandatsahany tao; fa izy kosa, tamin'ny alahelony no nandatsahany tao izay rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra.