Mark 12:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary mbola nanana iray izy, dia ny zanany lahy malalany, koa nony farany dia naniraka azy hankany amin’ireo izy sady niteny hoe: Hanaja ny zanako ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia ny zanany lahy tokana malalany indrindra no sisa tao aminy, ka io no nirahiny tamin’ny farany, fa hoy izy: ‹Hanaja ny zanako izy›.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Olona iray sisa teo amin’ilay tompon’ny tanimboaloboka, dia ny zanany malalany; ka nirahiny tany koa io nony farany, fa hoy ilay tompon’ny tanimboaloboka hoe: «Hananan’ireo hena-maso ny zanako!»
Malagasy Bible 1865
Ary mbola nanana anankiray izy, dia ny zananilahy malalany, ka nony farany dia naniraka azy hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary mbola nanana iray izy, dia ny zanany lahy malalany, koa nony farany dia naniraka azy hankany amin’ireo izy sady niteny hoe: Hanaja ny zanako ireo.
malagasy
Ary mbola nanana anankiray izy, dia ny zananilahy malalany, ka nony farany dia naniraka azy hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy.