Mark 13:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa rehefa hitanareo mitsangana eo amin’izay tsy tokony hitsanganany «ilay mpandrava mahatsiravina» (Dan 12.11; 9.27), aoka hisaina izay mamaky izany, dia aoka handositra ho any an-tendrombohitra izay olona any Jodia;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Ary raha hitanareo eo amin’izay tsy tokony hisy azy ny fahavetavetan’ny fandravana (aoka hahafantatra izay mamaky ity), dia aoka izay any Jodea handositra any an-tendrombohitra;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Ho hitanareo eo amin’izay tsy tokony hisy azy «ilay fanimbazimbana mahatsiravina.» (Aoka hahazo tsara izay mamaky).
Malagasy Bible 1865
Fa raha hitanareo mitsangana amin'izay tsy mety hitsanganany ny fahavetavetan'ny fandravana (Dan. 12. 11; 9. 27) (aoka hisaina izay mamaky izany), dia aoka handositra ho any an-tendrombohitra izay olona any Jodia.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa rehefa hitanareo mitsangana eo amin’izay tsy tokony hitsanganany «ilay mpandrava mahatsiravina» (Dan 12.11; 9.27), aoka hisaina izay mamaky izany, dia aoka handositra ho any an-tendrombohitra izay olona any Jodia*;
malagasy