Mark 13:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy horohoron-tany any amin’ny toerana samihafa ary hisy mosary. Izany no ho fiandohan’ny faharariam-piterahana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hisy firenena hitsangana hiady amin’ny firenena, sy fanjakana hiady amin’ny fanjakana, ary hisy horohoron-tany amin’ny tany samihafa, sady hisy mosary. Izany no ho fiandohan’ny fahoriana.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, hisy koa fanjakana hitsangana hamely fanjakana; hisy horohorontany amin’ny toerana samihafa, sady hisy mosary. Izany no ho toy ny santatry ny fanaintainam-piterahana.
Malagasy Bible 1865
Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy horohorontany any amin'ny tany samy hafa, sady hisy mosary; izany no fiandohan'ny fahoriana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy horohoron-tany any amin’ny toerana samihafa ary hisy mosary. Izany no ho fiandohan’ny faharariam-piterahana.
malagasy
Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy horohorontany any amin'ny tany samy hafa, sady hisy mosary; izany no fiandohan'ny fahoriana.[Gr. faharariam-piterahana]